Madagascar Mozarteum: atao anio ny « Les Soirées Classiques »

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana « Les Soirées Classiques », andiany voalohany. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozar­teum. Hira milamindamina, la­rona zavamaneno sy feo miavaka no handravaka ny fampisehoana, araka ny nahafantarana ny Madagascar Mo­zarteum hatramin’izay, nandritra ireo hetsika nataony. An­koatra ireo matihanina mandray anjara. Hitondra ny fahaiza-manaony mandritra izany koa ireo mpandresin’ny fifaninanana Cnapmada 2024. Tanjon’ny hetsika ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto miangaly ny mozika klasika maro samihafa.
Fandaharam-potoana miavaka no omanin’ny Madagas­car Mozarteum, ho an’ny mpankafy mozika milamindamina, amin’ity anio ity. Fam­pisehoana “Les Soirées Classi­ques”, iarahana amin’i Faniry Rakotoarison, eo amin’ny Sop­rane, Miravo Ramarolahy, eo amin’ny fitendrena Orgue, ary ireo efatra mianadahy, mpandresin’ny fifaninanana Cnap­mada 2024, no eo amin’ny fi­tendrena Piano. Ireo hira klasika malaza ankehitriny sy hatramin’izay no holalaovin’ireto mpitendry zavamaneno ireto handravahana ny sehatra.
Tsiahivina fa mbola hisy ny andiany faharoa amin’ny hetsika, hatao ny 19 avrily 2024, iarahana amin’ny mpanakanto hafa indray.

Lin

Partager sur: