SOMBIM-BAOVAO

Lany ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja karaté, Rakotomalala Pierrot. Fifidianana notontosaina omaly, ka seksiona 6 tamin’ny 8 no tonga nifidy. Tsy afaka nandray anjara ireo seksiona roa, Avaradrano sy Marovatana. Lany 100% ny filoha vaovao izay kandidà tokana.

Mpanazatra 15 mianadahy, telo vehivavy, no nahavita ny fiofanana “Young Coach”, taranja basikety, tany Androy. Fiofanana notarihin’ny Tale teknika nasionalin’ny federasiona sy ny kaomision’ny mpitsara eto Madagasikara.

Hotontosaina rahampitso 13 avrily ny fifaninanana “Minichess Tournaient”, taranja Échecs. Sokajy latsaky ny 8, 10, 12 sy 14 ary 16 taona no hifaninana mandritra izany. Ity hetsika ity izay hotanterahina eny amin’ny Live Hôtel Andavamamba.

Kianja 4 avy hatrany no handray ny lalao rahampitso 13 avrily, amin’ny fifaninanana “All Step”, taranja basikety, ahitana ny Lycée Moderne Ampefiloha, Lycée Andohalo, Lycée Jules Ferry ary ny eny amin’ny Lycée JJ Rabearivelo.

Partager sur: