« Tokotany be »: homena vahana ireo mpandraharaha amin’ny zavakanto

Ho hita amina toerana iray rehefa mety karazana asa manodidina ny zavakanto. Izay no tanjon’ny hetsika « Tokotany be », andiany voalohany.

Ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Fahita sy fandre matetika io, rehefa misy hetsika ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina isam-paritra. Midi­ka izany fa manana anjara toerana eo amin’ny fihariana sy ny toekarena ihany koa ny sehatry ny kolontsaina. Ampahany ao anatin’izay ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny zavakanto, izay mbola misokajy maro dia maro. Ho fanomezan-danja ireny sehatrasa ireny no hikarakaran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny « Tokotany be ».

Hetsika hotontosaina mandritra ny hateloana izy ity, ny 18 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny anarany, hovoriana amina toerana lehibe ireo karazana asa sy ireo orinasa madinika sy salantsalany misehatra amin’ireo sokajin-kanto maro.
“Matetika heverintsika fa ny hirahira ihany no zavakanto. Mizara ho sokajy maro anefa izany, ary mbola misampana maro koa ny asa mampidi-bola ao anatin’izany. Ireny rehetra ireny no heverina fa hatambatra mandritra io fotoana io. Hisy sehatra ho an’ny boky sy ny tontolony, ny hairaha ara-endrika amam-bika rehetra, ny sarimihetsika, mozika, lamaody, ny harembakoka azo tsapain-tanana sy ny tsy hita maso, sns”, hoy ny nambaran-dRazafiarison Francis, tale jeneralin’ny kolontsaina, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
Hisy tranoheva maherin’ny 50, sy mpampiranty maherin’ny 70 ao anatiny sy ivelan’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena mandritra io telo andro io. Hisy karazana fampisehoana amina sokajy maro miisa 20 eo ho eo koa. Ankoatra izay, hisy ny atrikasa sy ny “masterclass” 10 eo, amina lohahevitra maro mifandray amin’ny fihariana manodidina ny zavakanto.

Marihina fa maimaimpoana avokoa, na ny fandraisana anjara ho an’ireo mpampiranty, na ny fidirana ho an’ireo mpitsidika liana amin’ity “Tokotany be” ity.

Zo ny Aina

Partager sur: