Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hatao. “Tsy maintsy hisy ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na ho ara-potoana io na tsia satria mbola handalo hodinihin’ireo solombavambahoaka amperinasa ny momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR)”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tokony hanomboka ny 8 mey izao izany fivoriana izany nefa mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ny ankamaroan’ireo depiote amin’izany fotoana izany, mialoha ny fifidianana hatao ny alarobia 29 mey izao. Tombanana hivoaka any amin’ny fiafaran’ny volana jona any ny voka-pifidianana solombavambahoaka. Nambaran’ny loharanom-baovao fa azo atao ny fivoriana na aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana aza. “Anisan’ny iankinan’ny ain’ny firenena izany tetibola izany ka tsy azo atao ambanin-javatra ny handihina izany”, hoy ny solombavambahoaka iray.
Synèse R.