Nodiovina avokoa ny faritry ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Niara-niasa nanatanteraka izany ireo fikambanana Good Deeds Day Analamanga sy ny fikambanan’ny mpianatra teny an-toerana. Notoloran’ny fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo fitaovana ihany koa ny oniversite nandritra izany, mba hanadiovana ny faritry ny anjerimanontolo. Tanjona ny hanatsarana sy hanajana ny fahadiovan’ny faritry ny sekoly. Afaka ampiasan’ireo olon-drehetra eny amin’ny tontolon’ny oniversite ireo fitaovana. Toy ny fikambanan’ny mpianatra, na ny mpandraharaha…
Lasa fahazaran’ny rehetra ny manary fako eny rehetra eny, raha ny zava-misy. Anisan’ny faritra ahitana betsaka izany ny eny amin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo. “Antony mahatonga izany ny fahavitsiana sy ny fahanteran’ny toeram-panariana fako eny an-toerana”, hoy ny tomponandraikitra iray eny an-toerana. Mandeha miadana ihany ny fahadiovana noho ireo olana ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Vokany, lasa manaotao foana sy manary fako eny an-dalana, araka izany, ireo mpianatra. Nilaza izy fa eo an-dalam-panavaozana ireo fitaovana ireo ny tomponandraikitra eny anivon’ny anjerimanontolo amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny faritry ny sekoly, nodiovina nandritra izany koa ny efitrano fianarana tsirairay avy.
Mino