Nisy vokany ny fanentanana nataon’ny Holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, nitombo ny isan’ireo nisoratra anarana anatin’ny rejisitra. Hanatanterahana ny hetsika maimaimpoana ho an’ireo sahirana ny infirmiera mandritra ny Herinandron’ny infirmiera.
Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 12 mey ho avy izao ny “Herinandron’ny infirmiera” eto amintsika. “Nisafidy ny faritra Atsinanana ny Holafitra sy ny mpiara-miasa, hanaovana hetsika hizarana tolotra fahasalamana samihafa mandritra ireo andro ireo. Antananarivo, Vatomandry, Brickaville, Toamasina I ary Foulpointe no hitondrana ny tolotra ho an’ireo tena sahirana”, hoy ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera, Andrianarison Jean Aimé Botosera, omaly, teny Befelatanana. “Mamolavola ny ampitso amin’ny fanovana fiainana” no lohahevitra entina mandritra ny fanamarihana voalohany ny Herinandron’ny infirmmiera, ho an’i Madagasikara. Rodobe hataon’ny infirmiera miaraka amin’ny tolotra ara-pahasalamana no homena maimaimpoana ny vahoaka amin’izay toerana lalovana rehetra. 1 500 ny isan’ny olona tombanana hisitraka ny tolotra amin’ny toerana dimy. Fanaovana didim-poitra faobe, fitiliana ny tahan’ny siramamy anaty ra, fitilana ny VIH/Sida, fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo no hatao miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ao Toamasina ny fankalazana, ahitana hetsika maro ary mampiavaka azy ny fampirantiana ireo karazan’asa mampiavaka ny infirmiera sy ireo “specialisation” anatin’ny parcours infirmier izay maharitra telo taona.
Efa nitombo ho 18 000 mahery amin’izao fotoana izao ny olona nahavita fianarana nahazo diplaoma maha infirmiera azy no nisoratra anarana ao anatin’ny rejisitra noho ny fanentanana nataon’ny biraon’ny Holafitra. “Sokajiana ho toy ny mpisandoka ireo rehetra manana mari-pahaizana saingy tsy misoratra anarana eo anivon’ny Holafitra nefa miasa”, hoy ny fanamarihin’ny filohan’ny Holafitra.
Vonjy A.
45 ireo mpisoloky
Olona 45 no voatily fa manao ny asan’ny infirmiera nefa tsy niofana momba izany taorian’ny fanadihadian’ny mpikambana ao amin’ny Holafitra. Nomena fampitandremana am-bava izy ireo ary natoro ny lalana hizorany raha vonona ny hiofana ho lasa infirmiera tokoa. Manara-maso ny zava-misy ny Holafitra ka raha mbola mitohy ny asa fiisandohana dia hiditra amin’ny fanasaziana izy ireo. Fampianarana sy fanoroana no atao mialoha ny fanasaziana raha te hanova olona.