INDRAY MIJERY

Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afo­voany atsinanan’ny Nosy, vokatry ny alondrano avy any atsimo. Nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy, eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana, ny fampitandremana ary hipaka hatrany Toamasina izany.

Nandray ny solotenan’ny Agence française de développement miasa eto Madagasikara ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Niresaka ireo tetikasa vatsian’ny AFD vola eo amin’ny sehatry ny fanofanana arakasa ny roa tonta. Rafitra roa mipetraka iasan’ny AFD ny FMFP sy ny CNEF BTP. Nanamarika ny minisitra fa ilaina ny fiverenana amin’ny fifampidinihana mahakasika azy ireo. hisy fiantraikany any amin’ny tanora hofanina ny tetikasa.

Partager sur: