Misehatra amin’ny famokarana lohamenaka ny orinasa Phael Flor any Moramanga. Tafiditra ao anatin’ny paikadiny ny fampiasana angovo azo havaozina, entina hampihenana ny fandaniana mba hitandrovana ny tontolo iainana. Nosoloina fitaovana avy amin’ny herin’ny masoandro avokoa ny angovo mampihodina ny orinasa. Tsy ampiasaina intsony ny solika ampihodinana ny milina, hamokarana lohamenaka.
Misy fiantraikany lehibe amin’ny tontolo iainana izany satria mihena ny famokarana entona karbona CO2, sady manaraka ny teknolojia vaovao ny milina. Misitraka ny herinaratra avy amin’ny masoandro koa ny mponina manodidina ny orinasa. Satria mihoatra amin’ny fandaniana ampiasainy ny herinaratra vokarin’ilay toby «photovoltaïque».
Nitokana ny fotodrafitrasa tany Moramanga, omaly 12 avrily, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Fontaine Max Andonirina. Nohamafisiny fa «mirindra tsara ny politika ara-tontolo iainana apetraky ny minisitera amin’ny fampiroboroboana ny toekarena maitso sy ny angovo madio tahaka izao ataon’ny orinasa Phael Flor izao». Nankasitrahany koa ireo mpiara-miombon’antoka nanohana ity orinasa ity tamin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa, nahitana ny Sunref Madagasikara, ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) ary ny banky BNI Madagasikara.
Njaka A.