“Aza andrasana homena na atolotra anareo ny fahefana fa raiso”, hoy ny filoham-boninahitry ny Filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM) sy ny Vondron’ ny miralenta ho amin’ny fampondrosoana (VMLF), Ramampy Marie Zenaïde, izay efa solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, teo aloha. Hisy fifidianana ato ho ato. Eo ny fifidianana solombavambahoaka ary ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mila raisina dieny izao ny andraikitra amin’izany: mirotsaha hofidina. Mbola lavitra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Nefa raha hitanareo fa tsy mety ny fandehan-javatra eo anivon’ny kaominina misy ny tena, aleo mirotsaka ho mpanolotsain’ny Tanàna. Mba hahazoana miasa sy mampiasa ny fomba fitiavana ny fahitana ny tanànan’ny tena izany. Aza miandry antsoina hiditra ho mpanolotsain’ny Tanàna miaraka amin’izay eo. “Mananà finiavana”, hoy izy.
Toy ny fitantanana tokantrano ange ny fitantanana kaominina. Toy ny hoe zanaky ny tena ny mponina ao amin’ny kaominina tantanina. Raha marary ve ny zanaka dia hojerena fotsiny?
Izay no ataony hoe mila mirotsa-kofidina sy manana finiavana ireo vehivavy hanavotra ny mponina ao amin’ny kaominina misy ny tena. Afa-mampiditra ny hevitry ny tena hatrany ny tena rehefa mpanolotsain’ny Tanàna, afa-mandà koa izay programa tsy tian’ny tena nefa ataon’ny ben’ny Tanàna.
R. Nd.