RMDM : “Aoka hadio ny lisi-pifidianana”

“Mba miangavy re: ataovy madio ny lisi-pifidianana, ary aoka tsy hisy hosoka. Raha misy hosoka hita, ho feno hosokosoka avokoa isika rehetra ary hifanosokosoka eto”. Io ny fanehoam-pijerin’ ny avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), ny pasitera Edouard Tsarahame, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly, ny amin’izao fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. Izay fisiana hosoka izay ve no ndeha hitantanana ny firenena amin’ny fanaovana fifidianana? Koa raha mbola azo atao, aoka tsy hisy hosoka ny lisi-pifidianana.
Manaraka, aoka tsy hisy olona voasoratra ao anaty lisitra ka tsy hanana kara-pifidianana. Maheno siosion-dresaka etsy sy eroa ry zareo, araka ny nambarany, fa misy olona manomana lisi-pifidianana hafa any. Raha izany lisitra hafa izany no ndeha ha­na­ovana fifidianana, tompon’antoka ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpana­re­nena (HCC). Satria izy ireo no nanankinana izao fifidianana izao, nanome toky fa hikarakara fifidianana, ary nanome toky fa hahaleo tena. Tsy hitera-doza na hiteraka korontana ho an’ny firenena ve ny fifidianana ? “Mba ataovy amim-pahamarinana izany”, hoy izy.
Nohamafisiny ary fa tompon’antoka amin’ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka ny Ceni sy ny HCC. Tsy azo ekena raha misy ny hosoka, indrindra ireo lisitra ampisaina. Hanara-maso izany ry zareo.

R. Nd.

Partager sur: