TARATRY ny KANTO

Erick Manana etsy amin’ny CCEsca Antani­mena. Mandalo kely aty an-tanindrazana indray ity mpanakanto ity. Manome fotoana ireo mpankafy azy izy, rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ireo namany ao amin’ny tarika Feo Gasy sy ny Lôlô sy ny tariny. Eo koa ireo mpitendry namany hatramin’izay.
« Fiderana lehibe », miaraka amin’ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana rindrankira an-tsehatra, hotanterahina ao amin’ny FJKM Ampangambe Betle­hema, ny alahady 14 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Antoko mpihira anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny hira fiderana ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra.
Hiditra amin’ny andiany faha-2 ny « Hiaka Fiderana ». Fampisehoana lehibe hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imaha­masina, ny 21 avrily izao, manomboka ny 2 ora sy sasany tolakandro. Seho ahitana an’i Rija Ramanantoanina, Bodo, Nanie, Luc, Laurent Rakotomamonjy, Antsa an’i Kristy ary ny Gasy Tsara midera.
Tanterahina anio, eny amin’ny IFM Analakely, ny “Conversation littéraire”, eo amin’i Dominique Ranaivoson sy Mose Njo. Ny boky “Lisy mianjoria” sy ny “Mais ou vont ils tous? Fa ho aiza avy izy ireo? ». Ireo no resahina ao anatin’izany. Misokatra ho an’ny rehetra misehatra eo amin’ny haikanto sy ny literatiora ny hetsika.

Partager sur: