“Tsy afa-nanolotra kandidà ho solombavambahoaka kasaina hatao amin’ny volana mey 2024 ho avy izao izahay. Anisan’ny antony ny sakantsakana ara-bola toy ny fampiakarana natao tery vay manta ny anto-bola firotsahan-kofidina napetraky ny mpitondra ankehitriny”, hoy ny fanambaran’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny tsy fisian’ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana avy amin’ireo mpikirakira ny rafi-pifidianana. Manginy fotsiny ny fihetsika ataon’izay heverina fa “arofanina faratampony” : ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) lasa manamarina sy mankasitraka, toa miendrika fitanilana amin’ny mpitondra, ny fanitsakitsahana nisesisesy ny lalàna fototra sy ny fanohanana ambadika ireo kandidà miara-miasa amin’ny fitondrana.
“Tandindomin-doza, noho izany, ny fototra iorenan’ny demokrasia sy ny fametrahana ireo solontenan’ny vahoaka, vokatry ny fanilihana ankolaka ireo mpanohitra nataon’ny mpitondra ka tsy nahafahan’ny ankamaroan’izy ireo nandray anjara amin’ny zotram-pifidianana”, hoy ny fanambarana. Tsy ho kivy anefa ny RDS fa hijoro hatrany, hanentana ny Malagasy handray anjara amin’ny fifidianana izay ho solontenany eny amin’ny Antenimierampirenena hisian’ny fifandanjan-kery, ho “arofanina” fa tsy ho sakana ho an’ny fandrosoana sy ny fampandrosoana ny firenena.
R. Nd.