Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny trano fivarotam-boky “Milles feuilles» Behoririka, ny fampahafantarana ny boky «A quoi ça sert les filles ?» sy ny «La Virgule rebelle». Bokim-panabeazana izy ireto, anisan’ny nataon’ny mpanoratra hifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny zava-misy iainan’ ny ankizy sy ny mpianatra ankehitriny. Anisan’ireo boky sy mpanoratra nahazo fanohanana avy amin’ny tetikasa «Ressources éducatives de l’IFM» ireto boky ireto. Tanjona, amin’ny ankapobeny, ny hampiroborobo ny sehatry ny fanabeazana sy ny tontolony. Eo ihany koa ny fanohanana ireo mpanoratra, indrindra ireo eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Mitohy hatrany ny fampidirana an-trano fivarotam-boky ireo boky nahazo fanohanana avy amin’ny tetikasa «Ressources éducatives de l’IFM». Ny boky «A quoi ça sert les filles ?» sy ny «La Virgule rebelle» indray no nampahafantarina tamin’izany. Raha ho an’ny boky «A quoi ça sert les filles ? Ankizivavy ve ?» manokana, maneho tantarana ankizilahy leo miara-miaina amin’ny anabavikeliny ka nametra-panontaniana hoe «Fa inona no ilaina ny zazavavy e?» izy ity. Ao anatin’ny tantara ihany no hamaliana izany fanontaniana izany ka hanehoana tantarana vehivavy nanana ny maha izy azy teto amin’izao tontolo izao, indrindra teto Madagasikara. Anisan’izany i Gisèle Rabesahala.
Boky natao hianarana ny fitsipi-panoratana sy tsipelina kosa no raketin’ny «La Virgule rebelle». Noezahin’i Yannick Tojonantenaina Andrianambonisoa, nanoratra ny boky, natao an-tsary izany, ahafahana misarika bebe kokoa ny ankizy sy ny mpianatra.
Lin