“Conversations littéraires” : nahafa-po ny mpankafy ny hetsika

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika «Conversations littéraires”, niarahana tamin’i Mose Njo sy Dominique Ranaivoson. Ny mahakasika ny boky «Fa ho aiza ary izy ireo?» sy «Lisy mianjoria», izay nosoratan’ireto mpandray anjara ireto no noresahina tamin’izany. Mpianatra sy mpisehatra eo anivon’ny literatiora, avy amina ivontoerana maro, mpanoratra sy mpankafy no tonga niatrika izany, teny an-toerana.
Nafana ary tena nahafantarana zava-maro ny hetsika “Conversations littéraires”, niarahana tamin’ireto mpanoratra efa samy manana ny maha izy azy ireto. Samy nitondra sy nizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony izy ireo nandritra ny hetsika. Ny endrika ivelany sy anatiny, entina misarika ny olona, indrindra manoloana izao fifaninanana eo amin’ny boky sy ny niomerika izao, no tena nahaliana ny olona. Na eo tokoa aza mantsy izany. Anisan’ny nahita fahombiazana tamin’ny namoahany ny bokiny avy ireto mpanoratra roa tonta ireto.

Lin

Partager sur: