Faritra Diana sy Sava: tobim-pahasalamana 25, sakaizan’ny Wash

Natao tany Nosy Be ny fankasitrahana ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana. Nandalo dingana maro izy ireo nahazoana izany fahamendrehana izany.

Nisongadina ireo tobim-pahasalamana 25 (9 ao amin’ny Faritra Sava ary 16 ao amin’ny faritra Diana) manaraka ny fepetra ara-pahadiovana. Nizarana mari-pamantarana izy ireo ny faran’ny herinandro teo satria voasokajy ho “Sakaizan’ny WASH” na Tobim-pahasalamana fototra sakaizan’ny Rano Fanadiovana sy Fi­diovana.
Nanolotra ny fankasitrahana ny mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold. Namba­rany fa firenena laharam-pahamehana ho an’i Eta­zonia i Madagasikara amin’ny paikady maneran-tany mom­ba ny rano tantanin’ny USAID, mba hisorohana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza vokatry ny areti-mifindra azo avy amin’ny rano.
Nandalo dingana maro ireo tobim-pahasalamana ireo amin’ny fametrahana tontolo madio sy azo antoka ho an’ireo marary sy mpiasan’ny fahasalamana vao tonga amin’io fanasokajiana io.
Anisan’izany ny nahavitan’ny mpiantsehatra ara-pahasalamana rehetra fiofanana, ny fananan’izy ireo rano fisotro madio fidiovana sy kabone manaraka ny fenitra ary ny fanaovan’izy ireo hetsika fanentanana matetika.
Manana rafi-pitantanana manokana ireo tobim-pahasalamana voasokajy ireo hahafahany manao fikojakojana sy fanaraha-maso ny fotodrafitrasa mba hiantohana ny faharetan’ny fampiasam-bola natao.
Tombony lehibe eo amin’ny lafin’ny ady amin’ny aretina mifindra ny tetikasa izay manampy amin’ny fanenana, iadiana amin’ny tay miparitaka sy ny fahazarana amin’ny fahadiovana sy fidiovana izay antoky ny fisorohana haingana ny aretina.
Novolavolaina niaraka ta­min’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana ity fomba fiasa «tobim-pahasalamana Sa­kaizan’ny WASH » ity. Vatsi­an’ny governemanta amerikanina vola amin’ny alalan’ny USAID ary tanterahan’ny fandaharanasa Access.

Tatiana A

Partager sur: