Maromaro ireo tsy nahafeno ny fepetra. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa misy ireo kandidà tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy firotsahany. Mbola manana fe-potoana hatramin’ny anio anefa izy ireo.
Miisa 46 ireo dosie an’ireo kandidà tsy ara-dalàna manerana ny Nosy, voarain’ny eo anivon’ny Ceni hatramin’ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nahaloa ilay anto-bola 20 tapitrisa Ar ny maro amin’izy ireo. Tsy feno izany ny fepetra ho azy ireo. Teo koa anefa ireo tara mihitsy vao nahafeno izany anto-bola izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny Ceni. Nanteriny aza fa kandidà maherin’ny 20 amin’ny antoko iray no tsy nahaloa izany anto-bola ho amin’ny fepetra amin’ny fifidianana izany. Tsy feno ny antontan-taratasy, indrindra ny lafiny amin’ny anto-bola ka mety ho voailika tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana izy ireo, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao hatrany. “Hentitra izahay eto anivon’ny Ceni momba izany…. Tsy mihevitra ny hanao mizana tsindrin’ila na hanavakavaka ny Ceni. Mbola manome vintana farany ireo kandidà izahay mba ho afaka hifaninana amin’izany fifidianana izany”, hoy ihany ny loharanom-baovao eo anivon’ny Ceni. Mbola manana hatramin’ny anio izany ireo kandidà hampiakarany ny raharaha eo amin’ny fitsarana raha misy ny olana na fitarainana amin’ny tsy fahafahany milatsaka hofidina.
Hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà nahafeno ny fepetra amin’ny filatsahan-kofidina ny eo anivon’ny Ceni, rahampitso talata 16 avrily izao. Ny kandidà anatin’izany no afaka hiatrika ny fifidianana depiote, ny alarobia 29 mey ho avy izao.
Tsiahivina fa miisa 519 ireo firotsahan-kofidina voarain’ny Ovec manerana ny Nosy. Miisa 468 amin’ireo filatsahan-kofidina ireo no nankatoavin’ny Ovec hatramin’ny herinandro teo.
Synèse R.