Fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Fampielezana hevitra fa tsy vola, zavatra, fampisehoana… Hevitra izany no miady sy ampiadiana. Mby aiza? Raha ny marina efa tokony hiditra lalina amin’izany ireo mpirotsa-kofidina ny amin’izay antony irotsahany, izay karazana tolo-dalàna harosony, izay handreseny lahatra ny fahefana mpanatanteraka amin’izay asa andrasan’ny vahoaka aminy… Ekena, andrasana ny lisitra ofisialin’ny kandidà nekena ny firotsahan-kofidiny. Na izany aza, eo hatrany ny fifandraisan’ny tena amin’ny vahoaka ifotony: ny hevitra ve no tena mibahan-toerana sy omen-danja? Amin’izay hahasoa ny vahoaka fa tsy ny antoko hoe hanana ny maro anisa, ohatra.
Amin’izay hevitra hoe ampiadiana izay, tsy manao izay hahavoafidy ny tena hahazoana ny maro anisa hifehezana fanjakana fotsiny, fa inona ary ahoana no hampandrosoana ny firenena? Tsy ny fahasahiranam-bahoaka no ndeha hohararaotina hampanantenana an’itsy sy iroa, hizarana izao na izatsy… Raha hevitra madiorano sy mitombina ary azo tanterahina ve no haely, tsy hisy hifidy ny tena? Mila mitaiza tena amin’izany ny mpirotsa-kofidina, mpanao politika, antoko… Mila mitaiza vahoaka koa fa hevitra sy fandaharanasa fampandrosoana no ampindramany fahefana ny mpitondra: fanamby fampivoarana, fa tsy fanampiana mandalo. Avy eo, mitoetra ihany ary vao mainka lalina aza ny fahantrana.
Izany no anisan’ny mampahantra ny vahoaka ifotony hatramin’izay? Misy fitaka ny fifandraisana amin’ny mpanao politika: tsy ijerena lavitra, tsy ahitana afa-tsy ny tena…. Mba hisy amin’izay ny fiovana sy ny fanovana, ary mba homen’ny vahoaka tombondahiny izay sahy izany? Manomboka eo ny hoe fandrosoana, manomboka eo amin’ny tena aloha izay tsy anisan’ny mpamitaka na voafitaka: aiza ho aiza?
R. Nd.