Nifampiarahaba ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Syndpers), ny faran’ny herinandro teo. Nanamarihana ny fiarahamonina mirindra ihany koa ny fihaonana. Tanjona ny hisian’ny firaisankina sy hampandroso miaraka ny firenena.
Manoloana ny loza voajanahary mateti-pitranga any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hamindrana ny ampahan-tany mirefy 20ha amin’ny tany mitondra ny anarana Hopitaly Emokala, titre 2651-AG any Manakara ho an’ny CPGU, ho fananganana toerana ho azo ampiasana amin’ny zavatra maro.
Hatao eto Madagasikara, ny 14 ka hatramin’ny 16 jona izao, ny fihaonamben’ny CPGS na Council of Protestants, I Guiding and Scouting. Nanomboka ny 19 febroary 2023 dia efa mpikambana tao anatin’izany i Madagasikara. Tombony ho an’ny Tily eto Madagasikara, araka izany, ny fampiantranoana ny hetsika.
Hanjaka ny varatraza ka hitondra orana any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy, manomboka anio hatramin’ny alarobia. Hiitatra aty afovoantany izany amin’ny faritra sasany. Hisy, araka izany, ny fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra Atsinanana ka filazana miloko mavo sy maitso ho an’ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana.