Maman Beby Idà : nodimandry teo amin’ny faha-100 taonany

Ny alarobia 10 avrily 2024, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, no nodimandry i Maman Beby Idà, izay olona nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny finoana sy fiarahamonina nisy azy. Hafatra farany napetrany ny hoe: “tsy misy atahorana ny miaraka amin’i Jesosy”.

Tsy vitsy ireo olona nahafantatra an’i Maman Beby Idà, indrindra ny eto an-dRenivohitra. Toerana nandaniany ny fahatanorany sy ny fahanterany ny teo 67 ha Atsimo. Zanak’i Ida sy Kemba Geneviève ary dimy mianadahy izy ireo ny mpiray tampo. Teraka ny taona 1924 tao Morondava izy, fa ny taona 1934 vao nahavitana kopia nidirany nianatra. Lehibe tao Vangaindrano ary anisan’ny vehivavy malagasy voalohany ben’ny Tanàna tao Vangain­drano, ny taona 1972. Ma­damo Mera no niantsoan’ny vahoakan’i Vangaindrano azy tamin’izany. Nafana fo tamin’ ny fanaovana politika ary anisan’ireo niara-nanorina ny antoko Vonjy iray tsy mivaky, niaraka tamin’ny dokotera Razanabahiny Marojama Jérome. Niakatra teto an-dRenivohitra ka niasa tao amin’ ny Coum 67 ha izy taorian’ izay. Niasa teny amin’ny oniversite Ankatso, ka nisahana ny fifandraisana sy nikirakira ny taratasin’ny mpianatra iha­ny koa izy.
Mpino avy amin’ny fiangonana Loterana malagasy i Maman Beby Idà. Ny taona 1981 ny tenany no notokanana ho mpiandry, nisalotra ny andiany Mino. Tsy niala tamin’ ny asa fanompoana an’ Andriamanitra izy mandra-pahafatiny. Tao amin’ny toeram-pivavahana an’ny Fian­gonana loterana malagasy, 67ha, no nanatanterahiny ny asa maha mpiandry azy. Anisan’ny nanana andraikitra teto anivon’ny firenena ny tenany, na dia tsy nisehoseho loatra aza. Tsy nisorona izy nananatra sy nanome lesona an’ireo mpitantana sy mpanao politika nanatona sy nangata-bavaka taminy, noho ny fahafantarany tsara ny atao hoe politika.

Tsy ho faty
Nampiavaka azy ny fananany finoana matanjaka izay nampitainy tamin’ny olona nifanerasera taminy. Anisan’ ny ambeti-teniny ny tsy tokony handehanan’ny olombelona amin’ny herin’ny tenany fa kosa hanankina ny fiainana amin’i Jesoa. Ny taona 2016 izy no nentin’ny fianakaviana nody tany Vangaindrano noho ny fahanterany.
Izahay eto amin’ny gazety Taratra dia miara-ory sy mitondra teny fankaherezana ho an’ny fianakaviany manontolo.

Lin

Partager sur: