Tombony ho an’ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana ambony ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny nametrahana ny oniversite vaovao amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ambohibary. Napetraka ny faran’ny herinandro teo izany. Mifandray amin’ny oniversiten’i Toamasina ity vao natsangana ao Moramanga ity.
Misy sampam-pampianarana momba ny tontolo iainana, dokotera ary anthropolojia ao Moramanga. Nampahafantarina nandritra ny hetsika ny tale hitantana izany oniversite izany. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Fanalamanga amin’ny fampitaovana ny dabilio.
Oniversite manakaiky vahoaka no tanjona. Tsy voatery mandeha any Toamasina na aty Antananarivo intsony ireo mpianatra afaka fanadinana bakalorea fa afaka manohy fianarana ao an-toerana ihany. Manala fahasahiranana ho an’ireo ray aman-dreny ihany koa amin’ny fandefasana ny zanany hianatra alavitra ny fahavitan’ny fotodrafitrasa.
Mandry andriran’antsy ireo ray aman-dreny mampiana-janaka alavitry ny akany noho ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahavitana manara-maso akaiky ny zanany. Eo indrindra koa ny fitadiavana vatsy.
Nanome toky ireo mpampianatra ao an-toerana fa tsy hanao ambanin-javatra ny kalitaom-mpampianarana sy hametraka ny lentan’ny fahaizan’ireo mpianatra manovo fahalalana ao.
Tatiana A