Nitsidika ny fonjaben’i Morondava ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy ny 33, lehilahy ny 612 ary ankizy tsy ampy taona ny 6 amin’ireo mifonja ao an-toerana. Fanomezan-danja ny maha olona, izay andry voalohan’ny Politikam-panjakana ankehitriny no atao. Ao anatin’izany ny fandraharahana ny fonja, dia ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fanarenana azy ireo, hiverenany indray eny anivon’ny fiarahamonina aorian’ny saziny.
Manaraka fiofanana, araka izany, ireo voafonja hahafahany manana asa fivelomana rahatrizay tafaverina eny anivon’ny fiarahamonina.
Misy amin’ireo vehivavy voafonja manana talenta amin’ny fandrariana sy fanaovana taovolo, na fanaovan-tsakafo. Efa misy ny vokatra vitan’izy ireo tamin’ny rary.
Horaisina ny fepetra ka hojerena haingana ny mpampiofana, izay hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hovatsiana fitaovana ihany koa ny fonja ao Morondava. Hofanina amin’ny fanamboarana mofomamy, taovolo, fandrafetana ho an’ny lehilahy… ireo voafonja ireo.
Ho tena toeram-panarenana tokoa ny fonja manomboka eto. Hahazo fanamarihana ny nahavitana fiofanana mihitsy izy ireo.
Tatiana A