Pasitera iray eto Antananarivo no hiakatra fampanoavana, anio, noho ny aferana merkiora sy fisolokiana vola mitentina 70 tapitrisa Ar. Nitaraina tany amin’ny ambaratongan-drafitra, araka izany, ireo biraom-piangonana. Naato nandritra ny roa volana ilay pasitera, ny volana novambra sy desambra teo, saingy mbola niverina nampivavaka indray nanomboka ny volana janoary.
Tsy mahatapak’ahitra, araka izany, ny ambaratongan-drafitra raha ny nambaran’ireo biraom-piangonana ka niroso amin’ny fitsarana ny raharaha.
Raha tsiahivina dia naka vola tamina tokantrano vitsivisy ilay mpitandrina ary milaza ho mahita merkiora. Rehefa nataon’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana dia niaiky ho mpanelanelana amin’ny afera izy ary hitondra ireo tena nandray ny vola eo amin’ny mpitandro filaminana, saingy tsy vitany akory izany.
Noho io fisolokiana io dia hiakatra fampanoavana, anio, etsy amin’ny fitsarana Anosy ity pasitera ity.
Randria