Natomboka ny 11 avrily 2024 teo, tany Marovoay, faritra Boeny, ny fikojakojana ny lakandrano sy ny fambolem-bary voly avotra. Hitarina any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy izany.
Singa fototra amin’ny famokaram-bary ny fikojakojana ny lakandrano, satria ilaina ny fifehezana ny rano. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ratoharijaona R. Suzelin, nandritra ny fanombohana ny hetsika tany amin’ny kaominina Tsararano, distrika Marovoay, fa asa fanaon’ ny tantsaha sy ny fikambanan’ ny mpampiasa rano (AUE) ny fikojakojana ny fitarihan-drano. Adidin’ny fanjakana kosa ny manentana sy mandrisika ny mpisehatra rehetra hiara-miasa sy hiantoka ny hahalavorary ny taom-pamokarana.
Nisy ny fizarana kojakojam-pamokarana tany Tsararano, tafiditra ao anatin’ny fanohizana ny asa 100 andro. Toy ny zezika simika 10 taonina, masomboly vary an-drano 66 taonina, vary an-tanety 7 taonina, katsaka 6 taonina, tsaramaso 2 taonina. Teo koa ny fitaovam- pamokarana avy amin’ny Foibe fitantanana ny fitaovam-pambolena (CGMA), motoculteurs 22, sarcleuses 90, motopompes 18. Nozaraina koa ny karatra maha tantsaha miisa 228.
Hanohana mahakasika ny teknikam-pambolena vary mahomby sy ny fampiasana ireo fitaovam-pamokarana maoderina, ny fitantanam-paritra Drae Boeny.
Lemaka 7 000 ha voajary
Tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pambolena 2024-2025 izao hetsika nosantarina tany Marovoay, faritra Boeny izao. Mirefy 261 016 ha ny velaran-tany voajary sy nohavaozina, ka mila fikojakojana ny lakandrano. Ho an’i Marovoay manokana, mirefy 7 235 ha ny lemaka nasiam-panavaozana tao amin’
ny secteur 4, 5 ary 6, vokatry ny tetikasa Padap, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola. Tanjona ny hisitrahan’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny tetikasa, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).
Njaka Andriantefiarinesy