Hotsaroana rahampitso ny faha-202 taona nahafatesan’ny Printsy Ratsintantanina. Hisy lanonana hiendrika fampahafantarana ny «tetikasan-kolontsaina marolafy Ratsintantanina», etsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, anio. Hisy velakevitra sy fampirantiana manomboka amin’ny 10 ora maraina, ka mpikaroka sy mpandalina maro, Malagasy sy vahiny, no hifarimbona amin’izany.
Nidina tany Belo Tsiribihina, misy ny fianakavian’ny Ampanjaka Toera, an’ny Sakalavan’ny Menabe, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriamananoro Augustin, sy ny mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo. Nodinihina tamin’izany ny fampahafantarana ny fombafomba ara-drazana tsy maintsy atao amin’ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Teo koa ny tetikasa hanatsarana ny Zomba sy ny fananganana mozea any an-toerana.
Tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba, manomboka ny 16 hatramin’ny 23 avrily 2024, ny “Lire en fête” andiany fahenina. “Les mondes inexplorés de la littérature”, io no anisan’ny lohahevitra hovoizina mandritra ny hetsika. Fampirantiana, tsenaben’ny boky, atrikasa ary fihaonana samihafa no handravaka izany.
Ao anatin’ny “Rencontre internationale Madagascar-Suisse”. hisy ny fihaonana sy fifanakalozana, hanamafisana ny fifandraisana. Mandritra izany no hitondran’i Hans-Heinrich Wolfensberger sy Katharina Wolfensberger, mpitendry lokanga matihanina, ny fahaiza-manaony sy ny traikefany.