Natao tany Fianarantsoa, ny 8-12 avrily teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa Tefiala (Tetikasa fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala). Nifampizarana traikefa sy nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ao anatin’ny vondronasa fahefatra ao amin’ny tetikasa. Voakasik’izany ny rojom-pihariana sy ny serasera, izay manana anjara lehibe.
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny tetikasa Tefiala, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Mamatsy vola azy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF). Maharitra 5 taona ny “Tefiala”, mahasahana sahandriaka miisa 3, anatina velaran-tany 111 243 ha. Ao anatin’izany ny hanatsarana ny endri-tanin’i Volanony-Matsiatra sy Ranomainty, any amin’ny distrikan’i Voahibato sy Lalangina, faritra Matsiatra Ambony. Eo koa ny endri-tanin’i Bas Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fitsinjovana ny velontena, ny famokaran’ny tantsaha.
Njaka A.