Toliara : jiolahy niditra an-keriny tao am-piangonana

Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Toliara rehefa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amina trano fiangonana iray ao Tsianaloka, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray. Mbola tao anatin’ny fotoam-pivavahana ireo mpino ao amin’io fiangonana io no niditra tampoka ity jiolahy ity. Namoaka basy izy ka namantana teny amin’ny alitara nisy ilay pasitera. Raikitra ny fifanjevoana satria niantso vonjy ireo mpiangona ka lasa nandositra izy. Nifanenjehan’ny polisy sy ny fokonolona ilay olon-dratsy ka tratra tao Tsianaloka ihany. Nahitana basy sy bala roa teny aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: