Akon’ny Tsena iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM): hanovana ny fampandrosoanan’ny fitaterana sy ny toekarena

Nivondrona tamina toerana iray nandritra ny efatr’andro ireo mpisehatra eo amin’ny fitaterana eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fitaterana (STLM). Nisongadina manokana ny orinasa malagasy mpanamboatra « drone ».

Tratra ny tanjona! Nifarana ny alahady teo ny Tsena­be iraisam-pirenena mom­ba ny fitaterana, ny fampitaovana ary ny fikirakirana (STLM) andiany fahatelo izay natao teny amin’ny Zone Forel­lo Tanjombato. Nivondrona tamina toerana iray, nandritra ny efatr’andro, ireo mpisehatra rehetra momba ny fitaterana. « Tratra ny tanjona raha oharina tamin’ny hetsika voalohany, taona 2019. Tamin’ity taona ity, miisa 108 ireo mpandray anjara. Manodidina ny 600 isan’andro eo kosa ireo mpitsidika », hoy ny talen’ny Hazovato Fo­rel­lo Expo, Laélia Monloup. « Nisongadina manokana tamin’ny hetsika ny fisian’ireo mpisehatra vaovao, toy ny Aerial Metric, orinasa malagasy 100%. Misehatra amin’ny fanamboara­na  drone  sy mampiseho ny fanavaozana ao anatin’ny tontolon’ny fitaterana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ho an’ny tombontsoan’ny mpiara-belona.

Tafiditra amin’izany ny asa vonjimaika raha sendra loza voajanahary sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana. « Tanjona ny hisarihana ireo mpisehatra toa an’ity orinasa malagasy ity hitondra zava-baovao miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara», hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Hetsika samihafa
Tratra ny tanjona tamin’ny fampiroboroboana ny tambajotra an’ireo mpandraharaha nandray anjara nandritra ny hetsika. Nohatsaraina ny lafiny serasera ka nasongadina ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Nisy ny fanaovana horonantsary maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara ho fampahafantarana azy ireo, izay nalefa tany amin’ireo tambajotra sosialy. Ankoatra izay, nisy ireo lohahevitra novoaboasana ka nandraisan’ireo mpisehatra sy matihanina samihafa eo amin’ny fitaterana anjara. Ankehitriny, efa mikarakara sahady ny Foire internationale de Madagascar (Fim), vinavinaina hatao afaka iray volana, ireo mpikarakara. Tanjona ny hanatsarana ny hetsika ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Henintsoa Hani

Partager sur: