Ankizy 16 taona voaolana : voasambotra ilay mpampiasa

Nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray nanolana ny mpanampiny izay vao 16 taona, teny Ambohimangakely, ny sabotsy 13 avrily teo. Nahazo taratasy fitoriana avy tamin’ny fianakavian’io ankizivavy lasibatra io ny mpitandro filaminana. Voalaza tao anatin’io fitoriana io fa niharan’ny fanolanana nandritra ny herintaona sy tapany ny ankizivavy iray vao 16 taona. Mpampiasa ity farany ihany anefa io nanolana azy io. Tsy vitan’izay, bevohoka enim-bolana ilay ankizivavy amin’izao fotoana. Nidina ifotony nisambotra ilay mpampiasa voarohirohy ny mpitandro filaminana. Miroso amin’ny famotorana lalina io nahavanon-doza io ny zandary Antehiroka. Mitaky ny hampiharana ny lalàna avy hatrany amin’io mpampiasa io ny fianakavian’ny lasibatra. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: