Nisy antso fanangonam-bola nataon’ny vondron’olona nivoaka tany amin’ny gazety any ivelany, vao tsy ela. Manangom-bola entina hanoherana ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana sady manakorontana ny filaminam-bahoaka any atsimon’ny Nosy izy ireo.
Nivoaka ny fahanginany ny mponina any Benetse, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Novakiany bantsilana ny fihetsik’ireo manohitra ny fampandrosoana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Sahin’izy ireo, mitatitra vaovao diso, na manova ny marina entina hisarihana ny mponina hanohitra ny tetikasa. Anisan’ny lohalaharana amin’ireo ny Craad-OI. Ary misy fikambanana hafa any ivelany mandray izany, ka manao hetsika fanangonam-bola. Lazaina fa mangorona ny tany ny Base Toliara, nefa mazava tsara ny ao anatin’ny bokin’andraikitry ny tetikasa mahakasika ny fananantany.
Miray feo ny mponina any Benetse manoloana izany. Nilaza i Liasy, fa « manangona olona ireo manohitra ny tetikasa Base. Karazan’olona tsy manana tombontsoa na manana olana manokana izy ireo, ary mamitaka ny mponina. Eo am-piandrasana ny hanokafana ny Base Toliara izahay, araka ny tenin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, mba hiasan’ny zanakay, sy hisian’ny fandriampahalemana ».
Ho an’i Mahatonga, « efa nanaiky ny fitrandrahan’ny Base ny olobe aty Benetse. Tonga taty aoriana avy eo ireo manohitra ny tetikasa, ny Craad-OI, tohanan’ny olom-pantatry ny maro. Saingy, mitsinjo ny hahatsara ny fiainan’ny mponin’i Toliara ny Base Toliara. Manana fasana ao anatin’ny faritra voakasiky ny Base aho, fa efa nafindra toerana. Tsy monina aty Tsianisiha sy Ankilimalinike ireo olona manohitra ireo, fa avy any amin’ny toeran-kafa».
Nambaran’i Ninie, fa « tokony hipetraka ireo manohitra ny tetikasa. Ny tanora sy ny vehivavy no tompon’ny ho avy, ka izany no ilana ny Base Toliara ». Nanamafy i Sylviane, tanora any Benetse, fa « mila sokafana ity orinasa ity. Miresaha any amin’ny Craad-OI ireo olona voairaka ireo raha manana olana fa tsy izahay no fitahiny ».
Njaka Andriantefiarinesy