Fandaharanasa IVLP: mendrika i Kwincy, mpiangaly Hip Hop

Voafantina handray anjara amin’ny fandaharanasa Inter­na­tional Visitor Leadership Program” (IVLP), Andrianota­hiana Lalaina (Kwincy), mpanakanto misehatra eo amin’ny tontolon’ny Hip Hop sady mpanabe. Miompana amin’ny lohahevitra “Hip Hop and Civic Engagement” ny fandaharanasa.
Hitsidika an’i Washington, D.C., New York, sy North Carolina i Lalaina mandritra ny 3 herinandro. Hihaona amina mpisehatra amerikanina sy mpitarika avy amin’ny firenena maro hafa izy. Hifanakalo hevitra momba ny anjara toeran’ny kolontsaina Hip Hop amin’ny fiatrehana sy fanoherana ireo fanamby atrehin’ny fiarahamonina, toy ny herisetra sy ny fanavakavahana ary ny fidorohana zava-mahadomelina.
Ny programa IVLP no fandaharanasa fifanakalozana matihanina voalohany an’ny departemantam-panjakana amerikanina, mitondra ireo mpandray anjara avy amin’ny sehatra maro isan-karazany. Manao fitsidihana fohy any Etazonia ary mamboly fifandraisana maharitra amin’ireo Amerikanina mpiray sehatra amin’izy ireo.
Mialohan’ny niaingany ho any Etazonia, niarahaba manokana an’i Lalaina tamin’ny nahavoafidy azy hisitraka ity fandaharanasa lehibe ity ny mpanolotsaina momba ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikanina, Craig Ferguson.
Mivoy fanabeazana anaty kolontsaina, araka izany, i Lalaina ary mitondra avo izany talentany izany any ivelany.

Tatiana A

Partager sur: