Hentitra ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nandraisana fepetra manokana ny eny anivon’ny fonja.
Nitsidika ny fonjabe any Miandrivazo ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Nilatsaka tamin’izany ny toromarika ho an’ireo mpandraharahan’ny fonja. “Hamafisina ny fiambenana ny fonja sy ny fandrindrana na koa fandaminana ireo rehetra mivezivezy eny anivon’ny fonja amin’izao ankatoky ny fifidianana izao”, hoy izy.
Ankoatra izany, noresahany koa ny fameloma-maso ny tobim-pamokaran’ny voafonja any an-toerana ary ny fampiofanana azy ireo. Tafiditra anatin’ny fanajana ny zon’olombelona izany, araka ny nambarany.
Tsy vitan’izany fa mbola nanolotra fitaovam-pamokarana toy ny angadinomby, angady tsotra, sy fitaovana maro samihafa ho an’ireo voafonja koa ny minisitra. Nisitraka fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny minisitera koa ny fonjaben’i Miandrivazo, ahitana vary 8 gony sy tsaramaso 2 gony izany.
Fanatsarana ny fomba fiasa
Tsiahivina fa tafiditra amin’ ny fijerena ny olana sy ny iainan’ny eny anivon’ny fitsarana izao fidinana ifotony nataon’ny minisitra izao. Niaraha-nidinika tamin’izany ny vahaolana fohy sy ny antonony ary ny lavitra’ezaka. Tanjona ao anatin’izany ny fitoviana eo am-panatanterahana ny asam-bahoaka sy ho fanatsarana ny fomba fiasa atolotra ny vahoaka mpila raharaha eo anivon’ ny fitsarana. Nantitranteriny koa ny fanatsarana ny fomba fiasa mitovy amin’ny fitsarana rehetra.
Manampy ireo ny fanatanterahana ny politikam-panjakana miainga amin’ireo andry telo ka anisan’izany ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny fanajana ny zon’olombelona, ary ny fanjakana tsara tantana.
Synèse R.