Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao La Reunion, ny « Festival international du film de l’Océan Indien » (Fifoi), andiany voalohany. Mpisehatra amin’ny sarimihetsika, avy eto Afrika sy ny ranomasimbe Indianina no nandray anjara tamin’izany ary nanana solontena i Madagasikara. Lasan’i Joash Omondi ny amboara teo amin’ny « Prix du Jury Jeunes 2024 », raha i Nathan Clement ny teo amin’ny « Prix du Public ». Mahavelombolo ny hoavin’ity hetsika ity, raha ny fahavitrihan’ny mpandray anjara sy ny mpankafy no jerena. Nanambara ihany koa ny mpikarakara ny amin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny hetsika amin’ny andiany manaraka.
Tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika fohy « La vérité sur Alvert, le dernier dodo” no nandrombahan’i Nathan Clément, mpanatontosa avy ao amin’ny Nosy La Reunion, ny amboaran’ny « Prix du Public ». Joash Omondi, Kenianina mpanatontosa sarimihetsika kosa no nahazo « Prix du Jury », tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika « Jua Kali ». Hachimiya Ahamada no nisolontena antsika Malagasy, teo amin’ny fifaninanana sarimihetsika, niaraka tamin’ny sarimihetsika notontosaina « Zanatany, l’empreinte des linceuls esseulés ». Lova Nantenaina kosa no tany amin’ny fifaninanana horonantsary fanadihadiana, tamin’ny alalan’ny “Sitabaomba, chez les Zébus Francophones ».
Lin