Filàna andavanandro: hatsangana ny lalàn’ny famokaram-bary

Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra manoloana ny tsenan’ny vary eto amintsika. Hapetraka anaty didim-pitondrana ireo fepetra hiasan’ireo mpanangona sy mpivaro-bary akotry sy fotsim-bary vokarina eto an-toerana. Hofa­ritana ihany koa ny lalàn’ny fitsinjarana sy ny fivezivezen’ny vokatra ary koa ny fitsipika mifehy ny fitehirizana. Atao izany mba hampangarahara ny fifanakalozana ara-barotra sy hampiroboroboana ny fipariahan’ny vokatra. Ha­tsangana isaky ny faritra mpamokatra ny komity hanara-maso ny voka-bary eto an-toerana. Notsin­drian’ny minisitera ny maha zava-dehibe ireo didim-pitondrana ireo, ahafahana manatanteraka fanadiovana sy fandrindrana ny seha-pamokarana. Tanjona ny ha­hamarin-toerana ny vidim-bary sy hiantohana ny fifaninanana madio sy ara-drariny eto amin’ny tsena anatiny. Anisan’ny foto-tsakafo sy vokatra jifain’ny ankamaroan’ny Malagasy ny vary ka tokony ho jerena manokana ny fitantanana, ny tolotra sy ny tinady. Ny taona 2022, nahatratra hatrany amin’ny 3 000 000 taonina ny tinadin’ny Malagasy ny vary. Tao anatin’izay, miovaova isan-taona ny vidin’ny vokatra sy ny habetsahany eny an-tsena.

Henintsoa H.

Partager sur: