Tombanana ho betsaka ny rotsakorana amin’ ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy, hatramin’ny anio. Ho an’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa ny fampitandremana. Hahazo vahana ny varatraza ato anatin’ny roa andro manaraka. Hisy fidinana ny maripana amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany ary hisy fiakarana kosa izany amin’ny faritra avaratra andrefana sy ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy.
Raha vao mafana hoditra ny zaza dia tokony hoentina haingana any amin’ny Toby AC na tobim-pahasalamana hanao fitiliana sy hahazo fanafody maimaimpoana raha voamarina fa voan’ny tazomoka. Ny tazomoka tsotra tsy voatsabo ao anatin’ny 24 ora no lasa tazomoka mahery ary mahafaty.
Tsarajoro, io no anarana nosaloran’ireo mpianatra nahavita fianarana avy ao amin’ny sampam-pianarana “Chimie”, eo anivon’ny fakiolten’ny siansa, oniversiten’ Antananarivo. Miisa 135 izy ireo no navoaka tamin’izany izay mizara lalam-piofanana telo dia ny Arôme cosmétiques phytomédicaments, Ingénierie en science et technique de l’eau ary ny Fondamentaux en Chimie.
Anio sy rahampitso ny fampiofanana faobe momba ny fambolena sy fiompiana hataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa, tanterahina etsy Anosy. Hisy avy hatrany ny lalam-barotra ho an’ireo vokatra na fambolena na fiompiana iarahana amin’ny Foyer des paysans. Maimaimpoana ny fiofanana.