Teraka taorian’ny nametrahana ny hetsika “Scaling Up Nutrition” (SUN) ny vovonan’ny firaisamonina sivily misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo, ka iray amin’ireny ny Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina). “10 taona no nijoroany amin’ny fanaovana haitaky hanatsarana ny politikam-panjakana amin’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Faniry Hantarinivo. Nahafahana nampivoitra ny toeran’ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo ny Hina. Faritra efatra no niasana teny am-piandohana, amin’izao fotoana, efa mahenika ny faritra 23 ny vovonana ary manana fikambanana na ONG 655 mpikambana.
Ankoatra ny fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony, nandray anjara tamin’ny hetsika famaliana mandritra ny hamehana ny Hina tany Ampanihy sy Manakara. Nitaky ny tokony handrindrana ny asa ho an’ny fanjarian-tsakafo any Atsimo koa ny vovonana, samy hahazo ny anjarany ny distrika rehetra. Homarihina amin’ity taona ity ny faha-10 taona niasan’ny vovonana ho an’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana. Samy manana ny fomba hanehoany izany ny ekipa any amin’ny faritra.
Vonjy