Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa teo, niverina nanohy ny asa ratsiny indray i Mainty.
Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra (PA) Ankadindravola teny Ivato, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Mainty. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa 2024 lasa teo ity jiolahy ity kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray. Lehilahy iray no nifanehatra tamin’i Mainty teny Ivato, afakomaly alina. Nendahiny io lehilahy io saingy niantso vonjy ihany na dia lasa nitsoaka aza ilay olon-dratsy. Nahazo antso momba izany rahateo koa ny zandary PA Ankadindravola. Niroso tamin’ ny fanarahan-dia ny zandary, saingy tsy lasa lavitra i Mainty dia tratra. Voatifitra tao anatin’ ny fifanjevoana izy satria nanohitra ireo zandary hisambotra azy. Efa tafaverina tamin’ny tompony ny vola sy ny finday nendahiny. Nomarihin’ny zandary fa fanintelony talohan’izao no efa niditra ny fonja i Mainty. Tsy mety mionona amin’ny asa ratsiny anefa izy fa isaky ny mahavita sazy any am-ponja dia miverina manao ny ataony indray rehefa tonga eny anivon’ny fiarahamonina. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’ity jiolahy gagilahy ity. Azo lazaina ho nisento tokana indray, araka izany, ny mponina eny Ankadindravola hatreny Ivato taorian’ny nahalavo an’i Mainty.
J.C