Mpanjono miisa 180 mivondrona anaty fikambanana 8, nahazo karatra maha mpanarato any amin’ny kaominina Mahela, distrika Mananjary, faritra Vatovavy, ny herinandro lasa teo. Nosokafana tamin’io fotoana io koa ny fanjonoana oratsimba (langouste) sady nanentanana ny hanafoanana ny fampiasana ny haratobe.
Mandroso ny asa fanorenana ny tohodrano any Ilakakabe, faritra Ihorombe. Hanondraka lemaka ahafahana manajary tanimbary mirefy 980 ha ity fotodrafitrasa ity. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa fampandrosoana ny fambolena eny ifotony (Defis), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana izany.
Hihena ho 7-7,6% ny fidangan’ny vidim-piainana eto amintsika amin’ity taona 2024 ity, araka ny vinavinan’ny Instat. Nahatratra 9,9% izany tamin’ny taona 2023, vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika +40% ny jolay 2022. Ny marsa 2023 no tena ambony ny fidangan’ny vidim-piainana, nahatratra 12%.