Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray.
Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Marovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny 20 lahy ireo olon-dratsy nampihorohoro ny mponina tao amin’io tanàna io. “Nisy ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy saingy tsy ampy ny isan’ny mpitandro filaminana ka tsy resy tosika ny dahalo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria miasa any an-toerana. Olona roa lavon’ireo mpaka an-keriny tamin’io fotoana io. Nentiny nataony takalonaina ireo telo mianaka. Ankoatr’io, fanafihan- dahalo telo hafa koa niara-nitranga nandritra io alin’ny alatsinainy io ka anisan’izany, ny tao Kiangara, distrikan’Ankazobe. “Voatohitra avokoa ireo fanafihana telo tany amin’ ny distrikan’ Ankazobe ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Hazalambo
Manamafy ny hazalambo atao amin’ireo mpaka an-keriny ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, amin’izao fotoana, ny mpitandro filaminana. Tsy niandry ela, nanampy isa ny mpitandro filaminana eny an-kianja, hamongotra ireo mpaka an-keriny ny zandarimaria. Etsy ankilany, tsy sahy mitaraina intsony ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana noho ny tahotry ny valifatin’ireo dahalo ka naleon’izy ireo miady varotra amin’ireo dahalo hamotsorana ny havan’izy ireo. “Aleonay mionona amin’izao raha toa ka tsy vahaolana maharitra no aroson’ny mpitondra fanjakana”, hoy ny fianakaviana lasibatra.
Tsiferana R.