“Efa nisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 avrily lasa teo, nanendry ny zokiny indrindra amin’ireo filoha lefitra enina”, hoy ny fanazavan’ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena taorian’ny fanalan’ny HCC ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Ny depiote Rabenirina Jean-Jacques izay zokiny indrindra amin’izy ireo no filoha mpisolo toerana amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena. Na izany aza, nambarany fa iraisana ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra: tsy maintsy tapahina mandritra ny fivoriamben’ny birao maharitra. Noho izany, tsy misy olon-tokana, na ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana aza, tsy afa-mandray fanapahan-kevitra irery hoe hanao izao na izatsy ao amin’ny Antenimierampirenena. Raha misy ny mila fanaovan-tsonia na amin’ny fampandehanan-draharaha, ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Antenimierampirenena no manao azy amin’ny ankapobeny. Na izany aza, tsy maintsy iantsoana ny fivorian’ny birao maharitra ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe. Amin’izany, miara-mandray fanapahan-kevitra ny birao maharitra. Araka izay voalazan’ny And. 14 ao amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena no manendry ny depiote Rabenirina Jean-Jacques ho filoha mpisolo toerana.
R. Nd.