Maro karazana, marolafy, misandrahaka ary tsy misy fetra raha ny mozika malagasy. Hoporofoina anatin’ny roa andro izany, mandritra ny hetsika « Dago Madness Beatz ».
Ary raha hoe sehatra ho an’ny mozika tsy maro mpivoy? Izay indrindra no antony niketrehan’ny OZ Rekordz ny “Dago Madness Beatz”. Hetsika haka endrika “festivals” izy ity, saingy natao indray hanomezana sehatra ireo mozika marolafy, revolisionera ary mivelatra. Roa andro anaty anjorian’ny mozika ny tanjona, ny 25 sy 26 mey izao, ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Sehatra tokana, hifandimbiasana karazana mozika sy mpanao mozika, mba hiainan’ ny mpankafy mivantana izany “mozika tsy misy fefy” izany.
Hifandimby mandritra ny andro voalohany ry Na Hassi sy Brouk & Zia, hitondra ny “slam” sy ny “spoken word”. Hanaraka avy eo ny jazz hozarain’i Onja Luc sy Zara Rajaona, ny pop soul an’i Tasha sy Aline Kaloina. Tsy hadino ny mozika mifangaron’i Mafonja sy Doug’l, ny funk mifangaroharon’i Rolf, ny RnB an’i Ramian, sns. Tsy nohadinoana ny tontolon’ny hip-hop, hasongadin’i Big Jim Das y M.Ts’Ta.
Hitodika manokana amin’ireo mpankafy ny rock sy metal kosa ny andro faharoa. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ireo tarika sy mpanakanto mbola tsy fantatra loatra, sy ireo efa nametraka ny anarany tamin’io tontolo io. Anisan’ireny ry Erica du Rock, Egraygore, The Hornstone, Djanatt, Hir’Aina, Kanna Jihe, Load, Spirity, Tsiok’Ampita, Valahara, sns. Fotoana iray hanehoana ihany koa io fa maro karazana ny gadona rock sy metal ary maro toa izany ny mpanakanto mivoy azy.
Fotoana natao indrindra ho an’ireo “hanadio sofina”, indrindra ireo “hadanio fanahy” izay efa somary simban’ny mozika tsy mety aminy ireo roa andro ireo. Handraisana mozika vaovao, karok’ireo mpamorona izay miala amin’ny mahazatra.
Zo ny Aina