Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra tamin’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra ny fampandrosoana avy any ifotony.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny, lasalasa ihany ny saina! Sao mba manao biby “mi-tourne” (miverin-dalàna) tokoa aza no mety ho an’ity Madagasikarantsika ity? Miverina amin’ny fametrahana rafitra hitsinjaram-pahefana tena izy. Eny fa na hatramin’ny federalisma aza. Mety ho maivamaivana kokoa ny andraikitry ny mpanatanteraka foibe amin’izay fotoana izay. Mba tena hiainga avy any ifotony ny fampandrosoana nilokalokan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ ny fampielezan-kevitra.
Inona tokoa moa ny mahasarotiny raha mba tsinjaraina amin’ny faritany, rafitra mbola tsy rava akory araka ny Lalàmpanorenana, ny fahefana. Avy eo vao aparitaka any amin-dry Ragôva, isam-paritra. Ny entan-jaraina rahateo mora zaka. Ny akaiky vilany rahateo feno arina, manana adidy tsy maintsy mahomby na iza na iza, amin’izay fotoana izay.
Olon’ny fanamby sy ny fifaninanana masina rahateo ny filoha Rajoelina Andry, mety mba hanampy azy amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny Malagasy izao izany. Indrindra ny famahana ny olana sosialy sy toekarena izay mikiky ny isan-tokantrano. Sady tsy mitarazoka ny fakana fanapahan-kevitra no tsy taraiky ny fanatanterahana izany. Efa marary loatra, tsy mahadiny raha ela intsony, ny ankabeazan-dRamalagasy. Tsy lavitra ny vahaolana saingy mitaky finiavana sy fahasahiana fotsiny avy amin’ny herivelona rehetra.
r.r