Tsy mbola very fanantenana ny fanjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa manaraka ny fangatahan’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf). Mitady ny hevitra rehetra hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto Madagasikara.
Nampiantso mpanao gazety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gerard, sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred. Mandresy lahatra ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) izy ireo hanatontosana ny lalaon’ny Barea eto an-tanindrazana.
Nambaran’ny sekreteram-panjakana fa manatanteraka antsakany sy andavany ny fepetra takin’ny Caf ny fitondrana sy ny federasiona, amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ny fametrahana ny “tourniquets” miisa 10 ka 2 avy isaky ny vavahady fidirana, ahalalana ny isan’ny mpijery. Ny tena goavana, ny hisian’ny tohatra vaovao hidinan’ny mpijery baolina miala avy eny amin’ny gradin, miditra ao anaty kianja hisorohana ny loza mety hitranga. Eo koa ny hanaovana vavahady iray lehibe natokana hivoahana fotsiny. Tsy maintsy andraisana fepetra ihany koa ny toerana ho an’ny mpanao gazety, izay nahazoana fanakianana. Nanome toky ny sekreteram-panjakana fa ho vitaina ao anatin’ny 1 volana izany rehetra izany ka hanaovana tatitra isan’andro any amin’ny Caf ny fizotry ny asa sy izay rehetra efa vita. Miankina amin-dry zareo kosa ny fotoana hahatongavany eto Madagasikara, hijerena indray ny kianja, hiandrandrana fankatoavana.
Nolazain’ny filohan’ny federasiona fa efa nandefa taratasy any amin’ny Caf izy ireo, handresy lahatra, hijerena manokana an’i Madagasikara. “Tsy mbola nisy ny filazana fa hatao any Maurice na Afrika Atsimo na Maroc, ny lalaon’ny Barea fa miandry ny fiavian-dry zareo isika”, hoy izy.
Tompondaka