Lehilahy iray maty nokapain’ny rafilahiny famaky teo amin’ny lohany tao Tsiareky, Ambovombe Androy, ny alin’ny 14 avrily teo, tamin’ny 8 ora alina. Samy sakaizan’
ilay vehivavy izy roa lahy ka niady. Nampiasa famaky ny iray ka niteraka io fatiolona io.
Lezionera frantsay iray 39 taona hita faty tao Ambondrona, kaominina Nosy Be Hell ville, ny alahady 14 avrily teo. Novakin’ny olona ny varavarankelin’ny trano fonenany rehefa tsy nivoaka ny trano izy nandritra ny tontolo andro. Olona efa nivoa-dra teo amin’ny orony sady nihohoka teo afovoan-trano ho hitan’izy ireo.