Nidina ho 2 800 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, izany hoe, 800 Ar ny kapoaka. Mahatonga izany ny fiakaran’ny vokatra vakiambiaty tsikelikely, sady manomboka maina ny lalana any ambanivohitra sy ny toerana voka-bary. Nilaza ny mpamongady fa hitohy io fihenan’ny vidim-bary eto an-toerana io.
Misokatra ny fifamoivoizana Vohemar-Sambava (RN5A). Voafetra ho an’ny fiarabe latsaky ny 5 taonina ihany anefa no mandalo eo amin’ny tetezan’i Manambery (PK 173). Vita ny sabotsy teo ny fanamafisana ny fivilian-dalana eo amin’ny fidirana amin’ity tetezana Manambery ity sy ny tetezana Mina, Ampasivelo (PK 207+500).
Hovaina ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara. Misy ny atrikasa hanangonana ny tolo-kevitra samihafa mialoha ny hamoahana ny drafitrasa hanatanterahina azy. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ity fandaharanasa ity, tohanan’ny mpandrindra ny Firenena mikambana eto Madagasikara.
Voatendry ho talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, faritra Atsinanana, Randriamaniraka Clément, mandimby an’i Gilbert Sylvie. Natao ny 15 avrily, tany Toamasina, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Nanatrika ny fotoana ny prefe an’
i Toamasina, ny governora Atsinanana, ny SG-n’ny minisitera ary olo-manankaja maro.