Voatondro ho mpangalatra : lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray nangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra, kaominina Antsohihy, afakomaly alina. Nokarohin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny trano voalaza ho fonenany io lehilahy io. Niafina tao ambany fandriana izy ka nasaina nivoaka hifampiresahana milamina. Teo am-panatontosana ny resaka, naka antsy lavalela tampoka izy. Nokasaina hofiraina tamin’ny antsy ireo tovolahy tonga tao an-tranony. Nitsoaka nandositra nivoaka ny trano io mpangalatra io. Nifanenjehan’ny vatan-dehilahy izy. Raikitra ny tora-bato sy vono nataon’ny fokonolona rehefa tratra ity farany. Naratra mafy, namoy ny ainy io lehilahy voalaza ho mpangalatra io. Niantso ny mpitandro filaminana haka ny vatana mangatsiakan’io lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka io ny fokonolona taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: