Tonga nivahiny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo andian-tsambo sinoa mpiady mpiaro faha-45 miisa telo, ny alarobia lasa teo. Anton’izany ny fijerena manokana ny lafiny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny jiolahin-tsambo…
Nandray ireto tomponandraikitra nitarika ireto andian-tsambo sinoa ireto ny solontenam-panjakana niaraka tamin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny iraka tanterahin’ireto andian-tsambo mpiady faha-45 ireto, ny fanaraha-maso ireo sambo ara-barotra sinoa mandalo ao amin’ny ranomasina mena sy ny eladranon’i Persika sy Adena. Ao anatin’ny fiaraha-miasa rahateo, vaindohan-draharaha ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina mba hiarovana ireo harena an-dranomasina sy hiadiana amin’ireo jiolahin-tsambo. Nitarika ny delegasiona nisolo tena ny minisitry ny Fiarovam-pirenana (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana eo anivon’ny MFA, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Teo ihany koa ireo tomponandraiki-panjakana niaraka tamin’ny Tafika an-dranomasina ary ireo zanaka am-pielezana teratany sinoa miasa sy monina eto Madagasikara. Nandao an’i Madagasikara ny alahady teo ka hanohy ny diany any an-toeran-kafa indray ireto andian-tsambo mpiady ireto. Nanamafy ny Jly Andriamasimanana Willliam fa matotra hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika amin’ny firenena Sinoa sy Madagasikara. Marobe ireo sehatra ahitana ny fifandraisana eo amin’ny tanin’ny roa tonta izay raha tsy hilaza ny fampitaovana sy ny fampiofanana ny Tafika Malagasy.
J.C