Ceni : nampahatsiahy ny fepetra ho an’ny kandidà

Vita teny amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika 120 manerana an’i Madagasikara, omaly, ny antsapaka ny filaharan’ny kan­didà amin’ny fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Araka izay ny ho filaharana amin’ny biletà tokana, takela-kazo fametahana afisy, fandraisana anjara fitenenana amin’ny RNM sy TVM. Mia­loha ny fampielezan-kevitra, manana dimy minitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana eny anivon’ny distrika, ohatra, ireo kandidà: fampahafantarany ny momba azy sy ny antoko misy azy ary fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fifidianana. 48 ora mialoha ny fampielezan-kevitra amin’ny kianja no tsy maintsy anaovana fangatahana fahazoan-dalana amin’ny rantsamangakain’ny Ceni ary ankatoavin’ny distrika izay mahafantatra ny toerana azo anaovana fampielezan-kevitra. Mba tsy hisian’ny fiaraha-mitonton’ny kandidà amina toerana sy fotoana iray izany. Efa vita ny fandrafetana ny biletà tokana; aoriana izay, hatonta atsy Afrika Atsimo izany miaraka amin’ireo antontan-taratasy amin’ny fanatanterahana fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: