Dr Andriamaholison Jules : “Vahaolana no tadiavin’ny vahoaka”

“Vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy no tadiavin’ny vahoaka malagasy dia ny fandraisan’ny fitondrana ireo seha-pamokarana saro-pady”, hoy ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Amicale des anciens conseillers supérieurs de la transition et sénateurs de Madagascar (ACS), Dr Andriamaholison Jules, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’izany, ohatra, ny fitrandrahana volamena sy vato sarobidy, ny fanafarana mivantana any amin’ny mpamokatra ny solika ilain’i Madagasikara, fampandehanana ny orinasa Madagascar Oil hamatsy ny Jirama sy hahazoana tara hanamboaran-dalana, ny famarotana ireo andramena giazin’ny fanjakana hahazoana manalefaka ny fahasahiranam-bahoaka. Ampolo taona maro no tsy nisian’ny fahamarinana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Noho izany, tsy mahagaga raha ao anatin’ny fahantrana lalina ny 90 % amin’ny Malagasy. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana, indrindra ny vary, ny menaka, ny siramamy… Tsy misy asa ny tanora. Ny sakafo no mahamaika ny vahoaka malagasy.

R. Nd.

Partager sur: