Fakana an-keriny: efa-dahy voasambotra ny zandary

Mpiray tsikombakomba efa-dahy tamin’ny mpaka an-keriny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’io tanàna io, ny 4 febroary teo. Nanao ny fanadihadiana lalina sy nikaroka ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’io. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ireto farany. Voasaringotra ny tompon’ny tanàna nieran’ny dahalo. Nitohy ny famotorana ka tsy afa-bela koa ny mpitari-dalana ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nangalany olona roa natao takalonaina tamin’io volana febroary io. Ankoatra ireo, roa lahy tompon’omby namahanana ireo dahalo tratra tao amin’ny trano fonenany. Nentina atao famotorana ireo olona efatra ireo. Atolotra ny fampanoavana aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: