Ho tonga, rahampitso, eto Madagaikara i Rodrigue, mpanao hatsikana teratany Frantsay. « Spectacle Stand-Up », seho tokana anisan’ny andrasan’ny olona maro no hotanterahiny amin’izao fandalovany izao…
Rodrigue, mpanao hatsikana nandrombaka ny « Prix du Festival d’Humour de Paris » ny taona 2022. Raha ny nambaran’ny mpikarakara, efa mirafitra tsara ny fandaharam-potoana mandritra ilay fampisehoana « Spectacle Stand-Up », hotanterahina etsy amin’ny efitrano malalaky ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny 20 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Haharitra adiny roa be izao izany. Ny fizarana voalohany, miaraka amin’i Sombiniaina, mpanao hatsikana manana ny mampiavaka azy. Manana ny mampitovy azy ihany koa anefa izy sy i Rodrigue, raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Anisan’izany ny fanehoana ny andavanandrom-piainan’ny olona, miaraka amina hatsikana manapa-tsinay miharo tsindrom-paingotra, masiatsiaka. Manaitra ny fo sy ny saina. Mampita hafatra ihany koa… Hatsikana sahaza ny rehetra !
Hanakaiky ny mpijery i Rodrigue
Ho an’i Rodrigue manokana, fantatra fa hizara sy hamoaka ny maha izy azy ity tanora hoavin’ny hatsikana any Frantsa sy maneran-tany ity, mandritra ny « Spectacle Stand-Up ». Hasehony anaty hatsika amin’izany ireo vanim-potoana lehibe nanamarika ny fiainany. Anisan’ireny ny nandiavany ny fianarany tany amin’ny kolejy ka hatramin’izao faha-29 taonany izao. Tahaka izany ihany koa ny fiainany miaraka amin’ny reniny.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ity « Spectacle Stand-Up » ity ny fanakaikezan’i Rodrigue ny mpijery. Hiaraka haka sary amin’ireo ho tonga eny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato izy. Marihina fa ny Ethnika Event no mikarakara ity seho lehibe « Spectacle Stand-Up » ity.
HaRy Razafindrakoto